Tsy anisan’ireo firenena tafita hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can U17), tanterahina eto Madagasikara, ny volana avrily 2017 ho avy izao, ny Voromaherin’i Nizeria, tompondaka eran-tany farany teo, ho an’ity sokajy zandriny ity. Resin’i Niger teo amin’ny fifanintsanana fihodinana faharoa mantsy ry zalahy. Anisan’ireo mbola miady izany kosa ny Elefantan’i Cote d’Ivoire, tompondaka 2015.

Ankoatra izay, fantatra avokoa ireo firenena 14 hiady ny toerana fito hiatrehana ny «Can U17», hatao eto Madagasikara : i Ghana, Cote d’Ivoire, Niger, Gabon, Mali, Etiopia, Sénégal, Ginea, Soudan, Kameronina, Tanzania, Kongo, Angola, Kaomoro. Lalao mandro sy miverina no hataon’izy ireo ka ny 16, 17, 18 septambra ny dingana voalohany ary ny 30 septambra sy ny 1 ary ny 2 oktobra kosa ny fihaonana faharoa. Hiatrika ny “Can U17” ireo fito tafavoaka eo miampy an’i Madagasikara, mpampiantrano, izay tsy miatrika ny fifanintsanana.

Hozaraina ao anaty sokajy roa izy valo ireo ka tafita amin’ny manasa-dalana izay roa voalohany isam-bondrona. Hisolo tena an’i Afrika amin’ny “Coupe du monde Fifa 2017) ireo efatra tafita ireo.

 Tompondaka

 



Source link

Kitra – «Can U17» : nihintsana ny Voromaherin’i Nizeria (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.