Tontosa ny asabotsy sy omaly alahady, ny lalao ampaha-32-n-dalana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Telma coupe de Mada”, taranja baolina kitra. Tsy mbola manana olana aloha hatreto ireo ekipa goavana satria samy mbola manohy ny lalany avokoa. Anisan’izany, ny Cnaps Sport tompon’ny amboara 2015, izay nanamontsana mora foana ny 4FA, tamin’ny isa 5 noho 1. Nandresy mora foana ny ASCOIMI, tamin’ny isa mazava 9 noho 1 koa ny AS Adema. Tafakatra amin’ny lalao ampaha-16-n-dalana toy izany koa ny Ajesaia avy any Bongolava, rehefa nanilika ny FC Sab-Nam, tamin’ny isa 3 noho 1.

Mizotra amin’ny dingana manaraka koa ny Elgeco Plus, rehefa nampiondrika ny JSF tamin’ny isa 7 noho 2. Tafita koa ny ekipan’ny mpitandro filaminana Cospn, izay nanilika ny Fomela, tamin’ny isa 3 noho 0 ary 3 noho 2 nandavoan’ny Cosfa (Bebaoty), ny 3FB Ambatondrazaka. 6 noho 1 nanapotehin’ny FCE Atsinanana ny Espoir Aigle ary 2 noho 1 ny  nanilihan’ny FC Anjoma ny FC Topia.

 Tompondaka



Source link

Kitra – «Telma coupe de Mada 2016» : manohy ny diany ny Adema sy Cnaps (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.