Lazaina fa vary avy any India! Niakatra tany amin’ny fampanoavana, omaly 16 aogositra ny raharaha kolikoly avo lenta amin’ny fanafarana entana tsy mazava tany Toamasina. Voarohirohy amin’izany ny orinasa tsy miankina iray, nilaza fa vary fotsy avy any India ireo nohafarana, nefa lafarinina sy siramamy tao anaty kaontenera miisa 285, ny volana aogositra 2015.

Manodidina ny roa miliara Ar ny haban-tseranana sy/na hetra tsy tafiditra amin’ity raharaha ity. Nanao fanadihadiana ity raharaha ity ny fampanoavana any Toamasina, taorian’ny hosoka tsikaritra, ny volana septambra 2015. Taorian’ny fifarimbonan’ireo sampandraharaha samihafa, toy ny tao amin’ny ladoany, ny banky tsy miankina iray, ny polisy mitantana ny sisin-tany, hita ny fampiasana antontan-taratasy sandoka tamin’ny fanambarana ny entana, ny fanovana ny sokajy sy ny karazana entana tao amin’ny fitaovana informatika mikirakira izany. Tsy narahina koa ny dingana samihafa amin’ny lafiny haban-tseranana.

Voarohirohy tamin’izany ny olona 14, ka mpiasan’ny ladoany ny fito ary avy amina orinasa tsy miankina maromaro ny fito hafa.

Nafahan’ny fitsarana vonjimaika ireo olona voakasiky ny raharaha ireo, ary hatao amin’ny 13 oktobra ho avy izao ny fitsarana raha tsy misy ny fiovana.

Randria



Source link

Kolikoly : entana 285 kaontenera an-tsokosoko (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.