Entina hampihodina ny kaoperativa Koparema sy ny ankinin-jaza karakarain’ny Arema eny Antanandrano ny tanimbary sy ny dobon-trondro eny an-toerana. Nalaina, omaly, ny trondro nompiana nanomboka ny volana marsa lasa teo, ka namidy tamin’ny mpikambana ao amin’ny kaoperativa. « Tanjona ny hanampy ny mpikambana amin’ny fambolena, fiompiana sy asa tanana mba ho ampy sakafo ny isan-tokantrano », araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny seraseran’ny Arema, Andriamahefa Patrick, omaly, teny Antanandrano.

120 ha ny tanimbary sy ny dobo karakarain’ny mpikambana eny an-toerana. Manodidina ny 80 ny ankizy avy amin’ny fianakaviana sahirana raisina an-tanana ara-tsakafo sy ampianarina hitovy amin’ny rehetra.

Manerana ny Nosy, mamboly vary, kafe, miompy trondro ny mpikambana amin’ny koparema iadiana amin’ny tsy fahampiana ara-tsakafo.

Vonjy



Source link

Koparema Antanandrano : mamelona ny akanin-jaza ny dobon-trondro sy ny tanimbary (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.