Olo-malaza telo mianadahy (Céline Dion, Ben Affleck , Bradley Cooper) no fantatra fa anisan’ny handray anjara amin’ny « Stand up to cancer », izay azo adika hoe « Ataovy tsia ny homamiadana », hatao ny 9 septambra izao. Araka izany anarany izany, hetsika iray hanangonam-bola hanampiana amin’ny ady amin’ny aretina homamiadana izy ity ka andiany fahadimy ny amin’ity taona ity. Marihina fa efa nahatratra 327 tapitrisa euros ny voaangon’ny fikambanana mpikarakara, hatramin’ny nisian’ny hetsika.

 

Miala sasatra ary tena milomano anatin’ny vola tokoa ireo olo-malaza, amin’izao vakansa izao. Anisan’izany ilay mpihira amerikanina, Beyonce. Any amorontsirak’i Italia any izy mianakavikely, amin’izao fotoana izao. Manana « yacht » na irony sambo mihaja sy lafo vidy irony ry Beyonce ary entiny miala sasatra. Ankafizin’ity mpihira ity, rehefa eny an-dranomasina, ny fitaingenana jet-ski. Nahavariana ny maro koa anefa ny nahita azy nitsambikina avy eny ambonin’ilay « yacht » rehefa milomano.

Landy R.



Source link

Laza avy any ampita (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.