Fotodrafitrasa efatra avy amin’ny Saf FJKM no natolotry ny delegen’ny boriborintany fahefatra, Ratsisetraina David, izay nisolo tena ny ben’ny Tanàna Ravalomanana Lalao, ho an’ny fokontany Mahamasina-Atsimo omaly. Paompin-drano iray sy toeram-panasan-damba iray miampy roa hafa, toy ireo izay vao avy nohatsaraina no azon’ity fokontany ity.
Nosoniavina tamin’io koa ny fifanarahana fifanankinam-pitantanana ny fotodrafitrasa momba ny rano ifanaovan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny fikambanan’ny mpampiasa rano na ny AUE.
Hetahetan’ny mponina nampitaina tamin’ny delegen’ny boriborintany nandritra izao fidinana ifotony izao ny amin’ny tokony hanatsarana ny fivoahan’ny rano sy ny hametrahana takamoa eny amin’ny andrin-jiro ao anivon’ny fokontany.

Tatiana A

 



Source link

Mahamasina : fotodrafitrasa 4 avy amin’ny Saf FJKM (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.