Hevitra hafa. « Hitondra vahaolana maharitra izahay amin’ny alalan’ny fifidianana lalàmpanorenana vaovao. Manomboka izao, hihiaka izahay fa fototr’izao rehetra izao io lalampanorenana io ka takinay ny hanovana izany, hananganana fanjakana matanjaka sy hipetrahan’ny fiarahamonina mirindra. Vahaolana mahomby io », hoy ny mpitarika ny hetsika, Malagasy miray feo i Samihary Floriot, omaly tetsy Andrefan’Ambohijanahary. Nambarany fa efa mandeha any amin’ny faritra izy ireo mandresy lahatra sy mamptivoy fijery. « Tsy tokony hatao aloha ny fifidianana rehetra fa aleo hirosoana ny fifidianana ny lalàmpanorenana. Anjaran’ny vahoaka mijery ny safidy amin’ny lalàmpanorenana mety amintsika sy hifampitondrana eto na ho fanjakana tokana na federaly... », hoy ihany izy.

Momba ny hetsika nokasaina hatao etsy Mahamasina rahampitso kosa, nambaran’izy ireo fa nanova paikady izy ireo ka najanona aloha izany. « Tsy azo ny toerana saingy tsy nofoanana akory ny hetsika ao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina. Mbola ho avy izany fa mbola hitety faritra izahay vao hiverina eto Antananarivo », hoy ihany izy ireo.

Synèse R.



Source link

Malagasy miray feo : « Lalàmpanorenana vaovao ihany… » (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.