« Ravao io Antenimierampirenena io ary hapetraka maika ny Antenimiera hamolavola lalàmpanorenana vaovao. Aorian’izany, miantso fihaonambem-pirenena, ahitana ny solontenan’ny hery velona rehetra handinika izany lalàmpanorenana izany… », hoy ny eo anivon’ny Malagasy miray feo, tarihin’i Smiray Floriot, tetsy Andrefan’Ambohijanahary, omaly. Hofidin’ny vahoaka aorian’izany ny lalàmpanorenana, hitondrana ny firenena rehefa samy nakana hevitra avokoa, hatramin’ny any ifotony. « Ho hitantsika eo na ho lalàmpanorenana federaly na mizaka tena na koa hijanonana fanjakana tokana, tsy nampandroso antsika nefa azo hatsaraina, ny ho lanin’ny vahoaka eo », hoy ihany izy. Nohamafisiny rahateo fa tsy manana depiote HVM ny mpitondtra ka rariny ny handravana azy io mba hampijoroana fanjakana matanjaka. Mazava ny azy ireo, tsy fifidianana mialoha ny fotoana izany fa fifidianana lalàmpanorenana. « Fototry ny olana teto io », hoy izy.

Tsiahivina fa mandeha mitety faritra mandresy lahatra ny olona amin’ny tokony hifidianana lalàmpanorenana ny eo anivon’ny Malagasy miray feo, amin’izao fotoana izao.

Synèse R. 



Source link

Malagasy miray feo : « Ravao ny Antenimiera » (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.