Noraisin’ny minisitry ny Varotra sy ny fanjifana, Tazafy Armand, omaly, ny delegasiona ao amin’ny CBI any Pays-Bas, rafitra misahana ny fampiroboroboana ny fanafarana entana avy aty amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana. Nitarika azy ireo Rtoa Marije Maessen, tompon’andraikitry ny fitantanana ny tetikasa CBI, ka anisan’ny hifantohana ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpandraharaha eto Madagasikara amin’ny fanaraham-penitra any Pays-Bas sy ny Vondrona eoropeanina. Hamoraina koa ny fidiran’ny entana malagasy mankany Eoropa, karohana ny mpandraharaha eoropeanina sy any Pays-Bas hanafatra entana aty amintsika sy hifampiraharaha amin’ny Malagasy.

Anisan’ny aondran’i Madagasikara any Pays-Bas ny cacao, ny letisia, ny lavanila, ny jirofo, ny tsaramaso, ny kanela,  ny voanjo, ny rofia, ny makamba, ny vato sarobidy indostrialy, lamba sy akanjo, sns.

Hafarantsika avy any Pays-Bas kosa ny fanafody, ny ronono mandry, ny vokatra simika famonoana bibikely, sakafo am-bifotsy, cacao sy sôkôlà, lamba, zavatra vita amin’ny vera, kojakoja ao an-trano, vokatra informatika sy ny Tics, sns.

Njaka A.



Source link

Manohana i Pays-Bas : hamafisina ny varotra ivelany (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.