Mitentina 50 tapitrisa Ar ny entana lasan’ireo jiolahy miisa efatra tompon’antoka tamin’ny fanafihana ny Nosy Faly ao Mantasoa, ny talata 16 jolay 2016 misasakalina. Nandeha lakana ireo jiolahy, saingy tsy lasa lavitra ka nifanehatra tamin’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Mantasoa…

 

Fiaraha-miasa teo amin’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Mantasoa sy ny poste avancé-n’Ambatolaona no nahafahana nisambotra ireto jiolahy nanafika ny Nosy Faly ireto. Tao Ampasimpotsy avaratr’i Mantasoa no tratra ry zalahy rehefa avy nandeha lakana niampita ny reniranon’i Mantasoa. Araka ny fanazavan’ny kaomandin’ny borigadin’i Mantasoa, ny GPHC Velson Tsirafy Françis, teo am-panatanterahana fisafoana ny zandary ny alin’io fotoana io no nahazo loharanom-baovao fa misy jiolahy manafika ao Nosy kely iray antsoina hoe Nosy Faly, 10 km miala ny tanàna eo afovoan’ny reniranon’i Mantasoa. Nidina teny an-toerana ny zandary ary nampiasa ny fahaiza-manaony rehetra, saingy tafaporitsaka ireo olon-dratsy. Torana tsy nahatsiaro tena sady voafatotra ny mpiambina ity Nosy Faly ity. Niantso ny zandary avy ao amin’ny poste avancé Ambatolaona ny zandary avy ao amin’ny borigady mba hanampy tosika amin’ny fanenjehana ireo olon-dratsy. Nitohy hatrany ny fanenjehana ka noraisim-potsiny ry zalahy tao Ampasimpotsy. Tratra tany amin’izy ireo ny entana sarobidy halatra nalaina tao Nosy Faly, toy ny chaine, micro sans fil maromaro.

Avy aty an-dRenivohitra sy ao Moramanga ry zalahy ireto ary nikasa hanondrana ireto halatra ireto niakatra aty an-dRenivohitra.

Jean Claude



Source link

Mantasoa : tratran’ny zandary ireo jiolahy nanafika ny Nosy Faly (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.