Mahatsiravina ny tranga niseho tany Toamasina omaly. Mpanao “vacances” iray voalaza fa lasan’ny ranomasina no hita faty omaly. Efa potika tanteraka sy tsy nisy lohany intsony ity farany izao hitan’ny fokonolona izao. Efa niseho hatramin’ny taolany mihitsy aza. Zazalahy kely sendra nilalao rano teo an-tsisin-drano no nahatazana ilay razana nitsingevana tsy lavitra azy ka nilomano nampiakatra ity farany an-tanety. Hatreto, tsy fantatra mazava izay tena antony nahapotika ny vatan’ity tovolahy ity tahaka izao. Misy amin’ireo nanatri-maso izany no naneho ny heviny fa mety nohanin’ny antsantsa angamba ity farany. Raha zohina ,ny zava-nitranga. Tovolahy iray, 19 taona, mitondra ny anarana hoe “Rakotoarisolo Rija” no nandeha niala sasatra tany Toamasina niaraka tamin’ny sipany. Nilalao rano teo amoron’ny ranomasin’ny “plage Darafify” izy ary nandro teo ny alahady 14 aogositra lasa teo manodidina ny tamin’ny efatra ora hariva tany ho any. Tampoka anefa, nilentika tsy nipoitra intsony, nentin’ny rano, izy ka ilay vehivavy sakaizany irery sisa no tavela teo. Nanomboka nikaroka ny fatiny ireo fokonolona sy ny zandary avy ao amin’ny borigady Port Toamasina saingy omaly, izany hoe efatra andro aty aoriana, vao hita izany. Nanampy azy ireo tamin’ny fikarohana ihany koa ny mpilomano izay niaraka tamin’ny fitaovana manokana toy ny “remorqueur”. Efa tonga teny an-toerana nanao ny fizahana farany ny razana ny dokotera. Taorian’izay, efa natolotra ny fianakaviana kosa izany. Andrasana araka izany ny tohin’ny fizahana ny antony nahafaty sy nahapotika ny vatan’ity tovolahy mpiala sasatra ity.

Niony H.

The post Mpanao “vacances” lasan’ny rano tany Toamasina : Potika tanteraka sy tsy nisy lohany intsony appeared first on Midi Madagasikara.


Source link

Mpanao “vacances” lasan’ny rano tany Toamasina : Potika tanteraka sy tsy nisy lohany intsony (Midi-Madagascar)

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.