Nanao bemidina tampoka, teny Analakely, ny polisy avy ao amin’ny boriborintany voalohany ny alarobia sy alakamisy teo. Jiolahy miisa dimy nitondra sabatra mpanendaka sy mpanao sinto-mahery no tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny…

 

Nandritra ny hetsika manokana nataon’ny polisy teo Analakely no nahatrarana ireto jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana sy fanaovana sinto-mahery sady mpangarom-paosy ireto. Araka ny fanazavan’ny polisy, nanatanteraka hetsika manokana ho famongorana ireo mpanendaka sy mpanao sinto-mahery izy ireo noho ny fitarainan’ny olona amin’ny firongatry ny jiolahy eny Analakely sy ny manodidina. Miisa dimy ireo jiolahy tratran’ny polisy teo am-panaovana ny asa ratsiny. Tratra tany amin’izy ireo koa ny sabatra sy antsy lavalela iray fampiasan’izy ireo rehefa manao ny asa ratsiny. Raikitra ny fifanenjehana teo amin’ny polisy sy ireo jiolahy ka nanindrona sabatra ilay polisy nisambotra azy ry zalahy, saingy afa-niala ihany ilay polisy ka tsy naninona. Nisy koa ireo afa-nitsoaka ihany na efa nopetahana “menotte” fa tratra ihany rehefa nifanenjehana. Fantatra nandritra ny fanadihadiana azy ireo fa jiolahy mpamerin-keloka sy efa nigadra noho ny asa fanendahana avokoa ny ankamaroan’izy ireo. Eo Analakely, Soarano ary Antaninarenina no tena fanaovan’izy ireo ny asa ratsiny. Maro koa ireo olona efa nitondra faisana tamin’ireto jiolahy ireto.

Isan’ny mampanano sarotra ny fanenjehana ny mpanendaka eny Analakely koa ny fisian’ireo mpivarotra miray tsikombakomba sy manafina azy ireny rehefa avy manendaka.

Jean Claude



Source link

Mpanendaka sy mpanao sinto-mahery : jiolahy 5 nitondra sabatra tratran’ny polisy teo Analakely (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.