Nitondra ny heviny momba ny raharaham-pirenena ny pasitera Mailhol eo anivon’ny fiangonana apokalipsy (Fam). « Natao handravonana ny adilahy politika ity fotoana ity mba tsy hiseho intsony ny fifankahalana sy ny valifaty politika. Aoka hifankatia fa tsy hifanapotika eto isika », hoy izy teny Antsonjombe ny asabotsy teo tamin’ny fanamarihana ny faha-20 taon’ny Fam. Nohitsiny koa fa nandentika ny firenena ny fanonganam-panjakana nifandimby natao teto ary mbola eo ireo tsy maty voalavo an-kibo. « Nahomby  ny tolona saingy ny firenena tsy tafarina hatramin’izao. Anaty fahasarotana isika ary efa mitady vahaolana ny filoham-pirenena. Mbola manampy ny olana indray anefa ireo mpanao politika sasany », hoy izy. Notsiahivina avy eo fa tokony hiandry ny fifidianana amin’ny 2018 ny rehetra ary anisan’ny efa miomana amin’izany ny tenany. Na izany aza, nambarany fa miankina amin’Andriamanitra izany raha ny momba azy manokana.

Synèse R.  



Source link

Pasitera Mailhol : tsy ilaina ny valifaty politika… (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.