Hifarana anio, ny dian’ny mpanelanelana avy amin’ny Sadc i Chissano. Nitondra ny heviny momba izany ny mpahay ny fifandraisana iraisam-pirenena, Radanoara Julien. « Misy dikany matoa miresaka sori-dalana indray izy ka tokony hotanterahina izany. Efa nampahatsiahy momba azy io ny Amerikanina. Fanaovana tsinontsinona ny tsy fanatanterahana ny fifanarahana tahaka ireny », hoy izy, tamin’ny haino aman-jery, omaly. Notsiahiviny fa manao ny asan’ny maha mpanelanelana ity filoha mozambikanina teo aloha ity, amin’izao diany eto amintsika izao. « Manaraka akaiky ny raharaham-pirenena izy mandram-pahita ny fahamarinan-toeran’ny fitondrana ary misoroka mialoha ny mety hitranga ka mihaona amin’ny mpitondra sy ny mpanohitra, hiverenan’ny krizy vaovao indray », hoy ihany Radanoara Julien. Nohamafisiny fa mihaino ireo sosokevitra i Chissano ary miverina indray aoriana, manara-maso ny tohiny. Na izany aza, nohitsin’ity manampahaizana ity fa ho ratsy kokoa noho izao ny toerana misy antsika raha mitohy izao. « Tokony hiantso ireo manampahaizana na avara-pianarana ny fitondrana mba ahazoana ny sosokevitra samihafa ho amin’ny fampandrosoana haingana, hanamaivanana izao fahasahiranam-bahoaka izao », hoy ihany izy.

Synèse R.



Source link

Radanoara Julien : « Misy dikany matoa miteny sori-dalana i Chissano » (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.