« Tsy maintsy mandalo amin’ny raharaha politika, raha hanova lalàna », hoy ny avy amin’ny mpanohitra sady mpandinika ara-politika, Ralambomahay Toavina, raha nanontaniana an-telefaonina, omaly, ny amin’ny lalàna mifehy ny fifandraisana.

Raha te hanova io lalàna io ny mpanao gazety, mila mitady antoko politika na firaisamonina  sivily manana solontena eo anivon’ny parlemanta, araka ny fanazavany. Na loholona na solombavambahoaka izany, afa-manohana volavolan-dalàna hafa.

Raha tsy izany, rehefa hifidy solombavambahoaka na loholona amin’ny manaraka: afa-mivondrona ny mpanao gazety mampifidy antoko lehibe iray na olona maromaro mba hitondra ny hetahetany havadika ho lalàna.

Marina fa tsy hanao politika ny mpanao gazety, araka ny nambarany. Na izany aza, hiteny hoe misy ambadika politika ny mpitondra, raha vao mahita fa manomboka manao politika ny mpanao gazety.

Nefa raha lalàna: tsy maintsy misy politika. Ankilany, tsy te hanao politika ny mpanao gazety; andaniny, milaza ny mpitondra fa manao politika ny mpanao gazety, nefa tsy maintsy politika ny lalàna, araka ny fanazavany.

Tsy hoe tsy maintsy mitovy hevitra rehefa mpanao gazety, fa tsy maintsy mizarazara ny hevitra. Tsara kokoa aza izay. « Solombavambahoaka 18 amin’ireo 151 no nandany io lalàna mifehy ny fifandraisana io, maninona raha hatonina ireo tsy nifidy izany? », hoy izy.

R. Nd.



Source link

Ralambomahay Toavina : « Tsy maintsy politika ny lalàn’ny fifandraisana » (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.