Miray feo. « Tsy vahaolana ny fidinana an-dalambe hanakorontanana ny filaminam-bahoaka… Tokony hojerena amin’ny alalan’ny fifampiresahana izany satria misy tsy mety ao matoa mihetsika ny olona. Helohinay tanteraka anefa ny fanakorontanana ka aoka hieritreritra fa hovidiana lafo izany », hoy ny filoha teo aloha, Ravalomanana, sy ny iraky ny Sadc, Chissano teny Faravohitra, omaly. Nohitsin’ity filoha mozambikanina teo aloha ity aza fa tokony hosazina ireo manakorontana.  Nilaza ny hanara-maso izany rehetra izany ity iraky ny Sadc ity ary niantso ny tokony hampandraisana anjara ny rehetra amin’ny raharaham-pirenena. Niaiky koa ny tenany fa tsy mbola tanteraka amin’ny antsipiriany ny sori-dalana. « Mbola misy teboka tsy narahina ka tokony hirosoana », hoy izy.

Etsy andaniny, nampahafantarin’ny filoha teo aloha azy ny tsy namerenan’ny fanjakana aminy ny tany etsy amin’ny Magro Behoririka. « Tokony hojerena miaraka izany. Mbola ambonin’ny lalàna ny sori-dalana, fifanarahana politika efa lasa lalàna », hoy Ravalomanana.

Synèse R.



Source link

Ravalomanana-Chissano : « Tsy vahaolana ny hetsika an-dalambe » (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.