Nanao tohivakana ny fisamboran’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Tanà Ville, ny alahady 21 aogositra 2016 lasa teo ireo tambajotran-jiolahy miisa valo ka vehivavy ny roa izay voarohirohy ho mpanao fanafihana amin’iny faritra Ampasampito hatreny Ambohimangakely. Araka ny fanazavan’ny zandary, eny Ampasampito, Ankadindramamy, Antsobolo, Ambatobe, Ambohimahitsy, Ambohimangakely no toerana fanaovan’ireto jiolahy ireto ny asa ratsiny. Tokantrano telo no efa lasibatry ny fanafihan’izy ireo ary tadidin’ireo niharam-boina ny endrik’ireo olon-dratsy izay tsy misaron-tava. Tsy nanano sarotra araka izany ny fikarohana azy ireo taorian’ny fitoriana napetrak’ireo niharam-boina teny amin’ny zandary. Niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny famotorana nataon’ny zandary. Mampiasa basy mahery vaika ihany koa ry zalahy, saingy nilaza izy ireo fa namidiny amin’olona iray any Antsirabe io basy io. Mitohy kosa ny fikarohan’ny zandary ilay basy mahery vaika.

J.C



Source link

Ravan’ny zandary ireo tambajotran-jiolahy (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.