Tampoka ny fahafatesan’ny minisitra Ramanantsoa Rodolphe tany Mahajanga. Araky ny fomba dia miara-miondrika amin’alahelo manoloana izany fahoriana izany ny rehetra. Rariny izany satria ilay niharan’ny fahafatesana dia azo lazaina fa tena olomanga, tompon’andraikitra ambony hatry ny ela noho ny fahaizany sy ny fahatsilon’ ny fijeriny.

Noho ny fahafatesany tampoka tsy nampoizina dia tsy maintsy natao ny fizahana ny antony. Anisan’izany ny fitsirihana ny razana na ny « autopsie ». Nosamborin’ireo mpanadihady koa ireo olona nivarotra tekateka hanina farany natelin’Itompokolahy minisitra. Noho izany tranga rehetra izany dia niparitaka toy izay ny tsaho mikasika fanapoizinana. Tsy afaka ahilika moa ny mety fisian’izany toe-draharaha izany, nefa kosa tsy afaka ho lazaina ho tena izany ny antony nitarika ny fahafatesany, alohan’ny vokatry ny fandalinana ahafantarana ny tena marina.

Ny toe-draharaha eo amin’ny sehatra pôlitika izay mifehy ny fiainam-pirenena moa dia efa iaraha-mahita fa mareforefo be ihany noho ny rahona ateraky ny adiady tsy misy fitsaharana. Tsy misy mahafantatra izay hateraky ny ampitso. Ity fahafatesana tampoka ity sy ny tsaho manodidina io tranga io, dia mampitombo ny ahiahy, indrindra moa izany ao anatin’ny sehatry ny filalaovana pôlitika. Maro no velom-panontaniana. Dia hiverina indray ve ilay fanao ratsy teo aloha? Hifamandrika amin’ny famosaviana sy fifofoana aina indray ve ny fomba fanaovana adilahy ? Efa nandalo tamin’ny fotoana nitrangan’ny siosion-dresaka maro mikasika izany fanao meloka izany moa, ary tsy fantatra mandrak’androany ny mikasika ny fahamarinana na ny fanararaotam-paty fotsiny nentina ifanendrikendrehana.

Tsy ampy ve ny haloton’ny rivotra eto amin’ny tanàna amin’izao fotoana izao, no mbola andeha hampiana izao tsaho isan-karazany izao, izay vao miha manavesatra ny olana tsy mety voavaha, olana tazana miha misaringotra andro aman’alina maha very fanahy ny rehetra.

Tsy ny asa hatao no tsy misy. Maro ireo andraikitra tsy efa eo amin’ny sampan-draharaha rehetra. Rariny ny fanomezam-boninahitra ny maty, nefa izany tsy afaka anomezana rariny ny fisitoman-damba fanaraotam-paty, fisarihana entina handresen-dahatra.

Léo Raz

 



Source link

Resaky ny mpitsimpona akotry : fanararaotam-paty (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.