Eto dia hifamorika am-pitoerana eto ny “samy Malagasy”, (izay samy Malagasy izay moa no lasa fiteny fampandriana adrisa na eo am-pamitahana aza). Ny fihinanana hena kisoa no lasa voatery ifadifadiana noho ny haratsian-toetra ataon’ny mpiompy sasantsasany. Ho fanatavezana haingana ny biby dia tsy misalasala ny maro amin’izy ireo amin’ny fanomezana fanafody ireo biby ompiany. Fanafody izay mety hitarika aretina mandoza ho an’ny olona mpihinana ny nofon’ny biby nofahanana izany. Mpamosavy malemy ê ! Ny ao an-trano sy ny mpiray monina ihany no aripaka. Hay ve tsy ny fandriampahalemana ihany no tsy voafehin-dRafanjakana noho ny asan-jiholahy mirongatra mampihorohoro ny mponina, fa ny hanin-kohanina amidy an-kalamanjana koa dia mety hamorika ny vahoaka. Mbola adidin-dRafanjakana anefa no miaro ny vahoaka amin’ny trangan-doza toy izany. Tsy voalohany izao. Fantatra ny aretina ateraky ny fampiasana tsy manaram-penitra ny ody famonoana bibikely manimba vokatra fambolena. Rariny ny ahiahy eny am-pividianana voatabia. Tsy resahana intsony ny fampiasana zezika tain-kisoa izay mety mampita ny aretina “cysticerkose” amin’ny alalan’ny fihinanana salady na firezy vokatra tamin’izany zezika izany.

Tsy mitsahatra eo amin’ny sehatry ny fandriampahalemana sy ny fitaka ny mponina manoloana ny sakafo mamorika amidy an-tsena no tsy manefa ny adidin’ny fanjakana.

Be izay efa voalaza mikasika ny famitahana eo amin’ny fanabeazana sy ny fampianarana any amin’ny sekolim-panjakana ambaratonga voalohany izay, antoka ho an’ny fisondrontan’ny zana-bahoaka sahirana. Tsy iverenana intsony iny resaka iny. Izao indray ny minisitry ny Fampianarana ambony no manao antso avo ho fampitandremana ny zatovo nahazo “baka”. Aoka hono tsy ho sodokan’ireo sekoly tsy manana fahazoan-dàlana ara-dalàna. Moa ve tsy tompon’adidy ny fanjakana amin’ny fandrarana ireny sekoly sandoka ireny ho  tsy ahafahany hijoro hamitaha-bahoaka ampahibemaso ? Very toky ny mponina manoloana ny firongatry ny hetsika fanjakazakana poakaty sandan’ny halemen’ny fanjakana. Mazàna mirona, resin’io fakampanahy io ny mpitondra. Ny tranga niseho matetika anefa dia ny firodanan’ny fitondrana noho ny fironany any amin’ny fanjakazakana.

Léo Raz

 



Source link

Resaky ny mpitsimpona akotry : fanjakana malemy sy ny fitombon’ny mpamosavy malemy (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.