Efa hita taratra hatry ny ela ny tsy fahatsapan’izay manam-pahefana mifandimby, tsy mahita no sady tsy mitsinjo afa-tsy ny ao ankohonany. Ataon’ny mponina ihany no hangina manoloana ity fanapatapahana herinaratra izay tsy omena anarana intsony hoe « delestazy » ity. Maneno ratsy any am-potontsofin’ny Filoha hono izany, noho ny toky nomeny momba ny fanafoanana io tranga mitondra fahasahiranana isan-tokantrano sy eny amin’ny fandraharahana io. Ny filazana azy hoe « delestazy » no najanona fa ny fiverimberenany tsy nitsahatra. Amin’ny faritra sasantsasany miatoato ny fitrangany fa izay sendra izany dia mitombo mitarozaka ela dia ela ny fotoana amelan’ny Jirama ny mpanjifa ao anatin’

ny hamaizinana. Gasy ka miaritra hoy ny fitenenana.

Olombelona ihany anefa ka tsy haritra ny tsy hiteny ao anatin’ny fiharetana maharitra, fizakana ny vesatra tsy rariny noho ny fitantanana mitongilana. Ny fitondrana ihany angamba no sodoka, ny vahoaka manontolo kosa dia samy mahafantatra fa any amin’ny faritra fonenan’ny madinika no mateti-piavy toy ny sotrokely ny fanapahana ny herinaratra, no sady isak’izay tonga dia mateza ny faharetany. Miadakadana kosa amin’izay lafiny izay ny mpanjifa monina amin’ny faritra izay itoeran’ny olobe ao amin’ny fitondrana. Sendra tsy nahy angamba ny fisehon’ny fanapahan-jiro raha atao hoe mitranga izany. Mivandravandra ny fanavakavahana, rehefa mifanila ny toerana isehon’ny tantana tsy mitovy. Arabe iray no iraisana, eny am-pita andrefana misy fonenan’olona avara-patana, tsy tapaka ny herinaratra, ampita atsinanana anefa dia roboka ao anaty haizina, tsy mahita hazavana afa-tsy ny taratra eo am-pitany, tsy azo lazaina hoe mangetaheta ambony lakana fa voton-katezerana noho ny sasanangy tsy mitovy. Tsy vonona ny hiafy miaraka amin’ny vahoaka ny mpitondra. Araky ny fantatra anefa dia maro ny « groupe » novidiana tamin’ny volam-panjakana, famonjena entina isorohana ny fanelingelenana minisitra raha sendra mitranga any an-tokantranony ny fanapahana ny herinaratra.

Leo be ny vahoaka amin’ity delestazy tsy sahy aseho hazavana ity ny fanonona azy. Io fahasorenana io no mety hiposaka masoandrobe noho ny hatezerana vokatry ny fahitana ny fiangarana eo amin’ny fitantanana, fiangarana ateraky ny fitiavan-tena tsy misy fetra.

Léo Raz   



Source link

Resaky ny mpitsimpona akotry : manampy trotraka ny tsy fahaiza-manao ny fitiavan-tena (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.