Raha nangingina ny resaka fanakan-dàlana tao ho ao, dia lasa niverina indray izany amin’izao fotoana izao. Ary amin’ireo lalam-pirenana betsaka mpindrana amin’izao an-katoky ny fialantsasatra izao no tena manjaka izany. Toy ny nitranga tany amin’iny lalam-pirenena faha-25, mizotra mankany Mananjary iny. Taxi-brousse iray mampitohy an’i Fianarantsoa sy Mananjary no lasibatry ny asan-jiolahy, tao Ambatofaritany, ao amin’ny kaominina Tsenavolo, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nosakanan’ireo olon-dratsy tamin’ny alàlan’ny vato ny lalam-pirenena. Afa-nitsoaka ihany anefa ity fiara ity, saingy narahin’ireo jiolahy tamin’ny tora-bato. Vokatr’izay, potika ny fitaratr’ilay fiara. Mpandeha iray tao anatin’ity taxi-brousse ity kosa no voan’ny vato ka naratra mafy. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ity farany, raha ny fampitam-baovao azo hatrany. Tsy nahazo na inona na inona kosa ire olon-dratsy tetsy an-danin’izay. Fa mbola ny faran’ny herinandro teo hatrany, taxi-brousse avy aty Andrenivohitra hoany Vaingaindrano no lasibatr’ity fanakan-dàlana ity tao amin’ny kaominina Tsarasaotra Ambositra. Tsy nahavoa ihany ireo olon-dratsy, izay nanala ny fony tamin’ny tora-bato sisa, fa afa-nitsoaka ilay fiara. Ankoatr’ireo  tamin’iny lalam-pirenena voalohany iny koa dia nahenoana trangana fanakan-dàlana, ny alatsinainy lasa teo, tao Ampefy. Tsy vitan’ny vato intsony ny fitaovam-piadiana nentin’ireo olon-dratsy, fa efa basy mihitsy. Naratra voatifitra ny mpamily tamin’io fotoana io, saingy mbola afaka nitondra ilay fiara nitsoaka tsy ho eo ambany rangotr’ireo olon-dratsy. Amin’ireo asan-jiolahy sy trangana fanakanan-dàlana ireo, dia efa eny am-pelan-tanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha efa mandeha ny famotorana.

m.L

The post RN25 : Taxi-brousse nisy nanafika, mpandeha iray naratra mafy appeared first on Midi Madagasikara.


Source link

RN25 : Taxi-brousse nisy nanafika, mpandeha iray naratra mafy (Midi-Madagascar)

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.