Hatairana tsy nisy ohatr’izany ny an’ny olona raha nahita lehilahy iray nitsirara tamin’ny tany efa nihoson-drà rehefa avy nianjera teo amin’ny karieram-bato  teny Ankorabe ao anatin’ny Kaominina ambanivohitr’Ambohimalaza, distrikan’i Sambava ny talata 23 aogositra lasa teo. Ireo mpiasa mpitrandraka sy mpikapoka vato eny amin’ity kariera ity no nahatsikaritra azy voalohany. Raha ny fijery azy dia manodidina ny 20 taona eo ho eo izy ity. Tsy fantatra mazava izay tena zava-nitranga na nianjera ity farany na sanatria namono tena tamin’io fotoanan’ny loza io. Maty tsy tra-drano avy hatrany ilay tovolahy satria avo dia avo ilay nianjerany, manodidina ny 20 metatra eo. Nanafaingana ny fahafatesany ihany koa ny fitatazan’ireo vato efa niranirany tety ambany. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny mpitandro ny filaminana sy ny mpiasan’ny Fahasalamana narahan’ny Ben’ny tanànan’i Kaominina ambanivohitr’Ambohimalaza izay miadidy ny faritra misy ity kariera ity taorian’ny antso voarain’izy ireo. Ny fizahana sy ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa vahiny any an-toerana io tovolahy io. Efa eo am-pitadiavana ny fianakaviany araka izany ireo tompon’andraikitra. Marihina fa avy any amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Morafeno, distrikan’i Sambava no fiavin’ity farany. Raha tsiahivina, efa nisy tranga sahala amin’ity niseho teo amin’io toerana io ihany efa folo taona lasa izay. Tranga izay anaovana antso avo amin’ireo tompon’andraikitra voakasika izany mba handray ny fepetra mifandraika amin’izany ahafahana misoroka ny loza tahaka izao.

Niony H.

The post Sambava : Tovolahy maty nianjera tao amin’ny karieram-bato appeared first on Midi Madagasikara.


Source link

Sambava : Tovolahy maty nianjera tao amin’ny karieram-bato (Midi-Madagascar)

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.