Mpandeha 11 tsy hita popoka raha iray ihany koa ny avotra tamin’ireo olona tao anatin’ilay botry rendrika tao akaikin’ny Nosy Makamba, afakomaly. Niala tao Mahajanga, afakomaly tamin’ny 2 ora maraina ity botry ity izay nahitana ekipazy fito sy mpandeha dimy ary entana ilaina andavanandro milanja 23 taonina. Tao avaratra andrefan’ny Nosy Makamba, fokontany Beny Haranta, kaominina ambanivohitra Antsongomena Bevary tamin’ny 4 ora maraina no niseho ny loza tapaka tampoka ny voalin’ilay botry noho ny toetr’andro ratsy ka rendrika avy hatrany ilay botry. Lehilahy iray no avotra tamin’ireo mpandeha ka nampandre tamin’ireo olona teo amin’ny manodidina. Nandefa zandary niaraka amin’ny vedety iray hamonjy ireo niharam-boina ny APMF. Fantatra fa misy talen-tsekoly ny dimy amin’ireo olona tsy hita ireo.

J.C



Source link

Soalala : botry rendrika, mpandeha 11 tsy hita popoka (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.