« Tena misaotra an’Andriamanitra izahay fa tanteraka ilay hoe “manonga l’escalier”  voalaza ao anatin’ny hiranay », hoy i Wawa. Mikasika ny fihodinana izay notontosain’ny tarika tany Mayotte io.

Araka ny nampitain’ity mpanakanto ity, fahombiazana avokoa ny seho niisa 17, izay notontosaina nanomboka ny 22 jolay ka hatramin’ny omaly. Nihoatra ny 2.000 avokoa ny isan’ny mpijery, izay tena mahalana dia mahalana vao miseho any Mayotte izany. Tafiditra anatin’ny “Sômarôho Tour”, ho an’ity taona ity iny fihodinana iny.
Vantany vao tonga, avy hatrany dia mitodi-doha any Toamasina ry Wawa sy ny ekipany. Ny faran’ny herinandro izao mantsy no handray ny “Sômarôho” i Toamasina. Ao amin’ny Bateau Ivre ny zoma, miaraka amin’i Wawa, Luyanna, Paskero de Paris, Marina Désolé ary Kapitsany. Ao amin’ny Gymnase Soavita kosa ny asabotsy 20 aogositra, miaraka amin’ny tarika Wawa. Hofaranana ao amin’ny kianja monisipaly izany ny alahady 21 aogositra, iarahana amin’i Luyanna, Jazz MMC ary Wawa, mazava loatra.

Efa vonona i Nosy Be
Na entina mitety faritra aza, mbola ao Nosy Be hatrany ny tena ivon’ny “Festival Sômarôho”. Efa vonona amin’ny fandraisana ny any an-toerana, ka miandry ny andron’ny alarobia 24 aogositra hanombohana sisa. Toy ny mahazatra, nanasa mpanakanto maro i Wawa, hanafana ny seho goavana isaky ny alina. Hifandimby an-tsehatra ao amin’ny kianjan’Ambodivoanio ny alakamisy 25 aogositra ry Christian LDV, Bram’s DS, Black Nadia, Papou, Kapepeky, Lico Kininike, Théo Rakotovao… Handimby azy ireo ny zoma, ry Mess Mea, Maurin, Afro Style, Dah-Mama ary Vaiavy Chila. Anjaran-dry Jovial, Janga Ratah, Jazz MMC, Big MJ, Dj Lakouss, Legendre ary Jerry Marcoss kosa ny asabotsy. Hamarana ny hetsika ny alahady ry Luyanna, Bacoili ary i Wawa, mazava loatra. “Tanjonay ny hahatonga ny Sômarôho ho festival anisan’ny lehibe aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina”, hoy ny mpikarakara “Somaroho.Comity” izay mamatsy vola amin’ny ampahany betsaka ny hetsika.
Tsy tapitra hatreo, fa mbola hitohy any Mahajanga ny “Sômarôho Tour”.
Ny 2 septambra ao amin’ny Fami Resort, miaraka amin’i Wawa, Luyanna, Afro Style ary Papou. Ao amin’ny Bar Mony Misoma kosa ny 3 septambra, miaraka amin’i Wawa irery. Hofaranana ao amin’ny kianja Majunga Be izany ny 4 septambra, miaraka amin’i Wawa, Luyanna, Afro Style, Papou, Bacoiili ary Jazz MMC.

Zo ny Aina



Source link

« Sômarôho Tour” tany Mayotte : fahombiazana avokoa ny seho niisa 17 (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.