Hanomboka anio ary haharitra herinandro any Antsirabe, ny synoda fahaXVIII eo anivon’ny FJKM. Anisan’ny hanamarika izany ny hirosoana amin’ny fifidianana ireo birao handrafitra ny fitantanana eo anivon’ity fiangonana ity,  ho amin’ny efa-taona manaraka. Manomboka mahazo vahana any anivon’ireo kristianina sy anarana mandehandeha amin’izao fotoana izao ary ho filoha lefitra, ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina. Efa nilaza ny tsy hisahana izany andraikitra izany intsony ny filoha teo aloha, Ravalomanana, araka ny nambarany ny volana jona teo tetsy Ampandrana. « Tonga ny fotoana tsy maintsy hijanonana… Tapitra ny fe-potoam-piasana… », hoy izy tamin’izany. Toerana mahasarika mpanao politika io filoha lefitra laika io ka mety ho anton’ny nielezan’ny feo ny handraisan-dRajaonarimampianina izany. Mety ho paikady hakana ny fon’ny mpino FJKM, amin’ny hiatrehana ny fifidianana ny taona 2018 izany. Mbola mety handaitra ve anefa izany raha izao tranga miseho eto amin’ny firenena izao ?

Manampy ireo, andrasana koa ny mety ho filohan’ny FJKM, hisolo ny mpitandrina Rasendrahasina Lala.

Synèse R.



Source link

Synoda any Antsirabe : mety hofidina filoha lefitry ny FJKM Rajaonarimampianina (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.