Mila mihafy raha te ho tafita… Niomana sy efa vonona amin’izany ireo mpianatra, indrindra ireo eny amin’ny trano natokana ho an’ny mpianatra avy lavitra.

« Fiainana hafa mihitsy no hita any amin’ireny tranon’ny mpianatry ny Oniversite ireny. Olona mahay miara-monina kanefa mifandona lava, mifandefitra kanefa samy manana ny heviny, mihafy kanefa manana tanjona no hitanao eny. Voasedran’ny fiainana ireny ka aza atao mahagaga raha mivoaka amin’ireny mpianatra ireny ireo mpanapaka ny firenena any aoriana”, hoy i Mohamed El-Shadi, mpandinika fiarahamonina maraokanina iray tao anatin’ny bokiny, “Le calvaire des étudiants”. Nanaraka akaiky ny fiainana eny amin’ireny tranon’ny mpianatra any amin’ny “cités universitaires” ireny izy, ka nahita ny lafy tsara sy lafy ratsin’izany. Misy ampahany marina sy hita eto Madagasikara ny voalazan’ity mpanoratra ity, indrindra ny mikasika ny fihafian’ireo mpianatra. Fantatra mantsy fa tsy misy manara-penitra avokoa ireo “cites universitaires” rehetra misy manerana ny Oniversite rehetra eto Madagasikara, fa indrindra ny eny Ankatso I sy Ankatso II. Fotodrafitrasa efa tamin’ny taona 1970, ary zara raha nisy fanavaozana izany. Tsy maharaka ny efitrano kanefa tsy mitsaha-mitombo koa ny isan’ireo mpianatra avy lavitra ka mangataka trano honenana.
Tsy misy ray aman-dreny hanoro sy hiteny eny, fa ny samy mpianatra ihany no mifanohana, sy/na mifandona eny. Fianarana ny fiainan-ko avy sahady ho an’ny sasany, satria efa hita eny ny karazana fihafiana rehetra: toerana maloto, vatsy tsy ampy, havana lavitra, sns. Misy ireo kivy, ka tsy nahatody ny fianarany ary tsy nahatratra ny tanjona, mazava ho azy. Azo atao fitaratra tsara kosa, indrindra ho an’ireo mpianatra vaovao ny ataon’ireo vondron’ny mpianatra sasany. Manangana fikambanana, manendry izay hitarika ary manana sata mifehy manokana mihitsy. Natao hifanampian’ny mpiara-mianatra, hifampitsinjovana amin’ny sarotra, fa indrindra hifampiarovana ny fikambanana. Tsy voatery ny iray fiaviana na ny mitovy “filière” ihany anefa no mivondrona, fa afaka velarina izany, ary azo tohizana ivelan’ny Oniversite ihany koa.



Source link

Tanora tsy tara – « Cités Universitaires » : fianarana mihafy koa ho an’ireo mpianatra (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.