Niditra tamin’ny andro faharoa ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, iraisam-paritra, taranja tenisy ho an’ny sokajy U12. Fihaonana mizotra any Casablanca, Maraoka. Anisan’ireo mpilalao misongadina ilay Malagasy, Rakotondrainibe Sampras, izay mandrafitra ny ekipan’i Afrika Aostraly. Tsy mbola resy mihitsy mantsy ny tovolahy, tamin’ireo lalao nataony. Omaly, resiny tamin’ny seta 2 noho 0 (6/2 ; 7/5) i Padio Abalo, mpilalao avy amin’i Afrika Afovoany sy Andrefana mitambatra.

Marihina fa efa efa nandresy tamin’ny isa 4 noho 0 ny ekipan’i Afrika Atsinanana ity ekipa misy an’i Sampras ity, teo amin’ny andro voalohany, natao ny alatsinainy lasa teo. Lavon’i Sampras tamin’ny filavoana lefona i Abdoul Nure, ho an’ny lalaon’olon-tokana. Mbola nandresy ihany koa i Sampras teo amin’ny lalao ho an’olon-droa, niarahany tamin’ilay Afrikanina Tatsimo, Devon. Resin’izy mirahalahy, tamin’ny seta 2 noho 0 (6/4 ; 6/4), i Kael sy Kanuti.

Hitohy, anio, ny fifanintsanana ho an’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika iraisam-paritra, ity. Razafimahatratra Dina, tale teknika nasionaly malagasy, ny mpanazatra ny ekipan’i Afrika Aostraly.

 Tompondaka



Source link

Tenisy – «Afrique U12» : mandravarava i Sampras (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.