Na tsy fantatry ny maro aza, hita any anatin’ny zavatra ampiasaina andavanandro amin’ny teknolojian’ny informatika ny akora “terre rare” antsoina hoe “tantalum”. Tafiditra ao anatin’ny sokajin’ny vy tsy fahita firy sady manana singa manokana ity akora nalaina avy ao anaty tanimanga ity.

Tena ampiasana azy ny finday, ny fiaramanidina, ny televiziona, ny takelaka fisaka (écran plat), ny tariby amin’ny fifandraisan-davitra, sns.

Araka ny lahatsoratra nosoratan’i David S.Abraham, ao anatin’ny boky “The elements of power”, miteraka ady tsy misy antra eto an-tany ny fikarohana sy fananana ny “terre rare”. Mahatonga izany ny lanjany ara-toekarena sy ny fahavitsiany. Anisan’ny firenena tena mila azy i Etazonia. Anisan’ny akora vy nanamboarana ny fiaramanidina mpiady F-35, hiaka farany vitan’ny Amerikanina ny “terre rare”(tantalum), miampy ny yllium, ny gallium, ny lithium.

Tsy manana an’ity akora ity anefa izy ireo fa voatery manafatra sy mividy amin’i Sina. Mamokatra ny 98 hatramin’ny 99% ny “terre rare”, i Sina ny taona 2014.

Njaka A .



Source link

“Terre rare” : ampiasaina amin’ny finday, fitaovam-piadiana,… (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.