Nifarana, ny zoma teo, ny fankalazana ny faha-15 taon’ny fitsarana ambony Toamasina. Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Andriamiseza Charles, fa miezaka manakaiky vahoaka ny fitsarana. Nizara roa ny fomba nanamarihana izany. Teo ny tranoheva maneho ny fampirantiana sy ny adihevitra niompana tamin’ny lohahevitra efatra. Anisan’izany ny  paikady entina hitondrana ny raharaha eo anivon’ny fitsarana sy ny toeran’ny fitsarana ambony  Toamasina eo anivon’ny zava-misy ara-tsosialy, toekarena ankehitriny. Nambaran’ny tonia mpampanoa lalana, Andriamihangy Georges, kosa fa sarotra ny fikarakarana hetsika tahaka izao. « Ilaina anefa ny hahafantaran’ny vahoaka ny pitsopitsony momba ny  raharaham-pitsarana mba tsy ho tompon-trano mihono izy eo
amin’ny fampanajana ny lalàna
 », hoy izy tamin’ny mpanao gazety. …
Anisan’ny nahaliana ny olona ny momba ny olana  sy ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny “resy” sy ny “mpandresy” amin’ny didim-pitsarana raikitra, na didy maika, na didy
petraka an-tratra, mivoaka eo anivon’ny fitsarana.

Sajo



Source link

Toamasina : manakaiky vahoaka ny fitsarana (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.