Nirefodrefotra indray ny basy tao Ambolomadinika Toamasina, afakomaly hariva. Renim-pianakaviana nandeha posy no notafihin’ny jiolahy nitondra basy mahery vaika. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, teratany karana vavy sy ny mpanampy ireto niharan’ny fanafihana ireto. Vao avy naka vola mitentina 4 tapitrisa Ar teny amin’ny magazay izy roa vavy no narahan’ireo jiolahy avy aoriana. Nifanontoman’ireo niharam-boina sy ireo jiolahy ny poketra nisy ny vola ka niafara tamin’ny tifitra variraraka izany. Lasan’ireo jiolahy anefa ilay poketra, saingy voatifitra kosa ilay karana vavy ka naratra mafy. Nitsoaka avy hatrany ireo jiolahy taorian’izay sady nanao tifi-danitra. Maty avy hatrany ilay niharam-boina nony tonga teny amin’ny Hopitalibe Toamasina.

Sajo



Source link

Toamasina : olona iray voatifitra, volabe 4 tapitrisa Ar voaroba (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.