Tovolahy iray tokony ho 25 taona indray no matin’ny fitsaram-bahoaka, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo, tao amin’ny fokontany Analankininina hopitaly be Toamasina, carreaux faha 6 parisela 12/21-22. Raha ny loharanom-baovao, niditra an-keriny tao an-tokantranon’ olona iray vao vita vato ity tovolahy ity, ary efa narahin’ ireo fianakaviana maso akaiky.  Nitety ny efitrano isan-karazany izy ary teo vao nosamborin’ ireo fianakaviana. Voalaza fa saika hangalatra ity tovolahy ity ka raikitra teo ny daroka sy vely vy ary hazo ka maty tsy tra-drano ny anao lahy. Navelan’ny olona teo amin’ny lalana teo ny fatin’ity voatondro ho mpangalatra.

Nandritra ny fakan’ny vondron’ny mpamonjy voina ny razana, nahitana fa mbola nisy vola 8.000 Ar sy antsy kely tao am-paosin’ ilay tovolahy maty io. Tsy nahitana kosa an-tontan-taratasy mba nahafantarana azy tany aminy. Natao, noho izany, ny antso tamin’ny alalan’ny haino aman-jery izay mety ho havany mba hijery sy haka ny razana ao amin’ny tranom-patin’ny hopitaly be, saingy hatramin’ny fotoana nanoratana, mbola tsy nisy mitonona ho fianakaviany ireo tonga teny amin’ny hopitaly be. Hatreto aloha, hita ho nanao ranolava ny fitsaram-bahoaka tany Toamasina. Ny vahoaka rahateo efa tezitra amin’ny afitsoky ny jiolahy voasambotra androany, mivoaka rahampitso ary mamaly faty ireo nisambotra azy.

Sajo 



Source link

Toamasina : tovolahy iray indray matin’ny fitsaram-bahoaka (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.