Anisan’ireo atleta nisongadina indrindra tany Brezila ary nahafeno mpijery hatrany isaky ny nifaninana, nandritra ny “Lalao olympika” (JO 2016) farany teo, ilay Jamaikanina Usain Bolt. Raha tsiahivina, medaly volamena telo no indray azony ary izy no atleta nahavita ny zava-bita tsara indrindra teo amin’ny tantaran’ny “Lalao olympika”, hatramin’izao. Tsy niala teo aminy mihitsy mantsy ny anaram-boninahitra teo amin’ny 100 m, 200 m ary ny 4 x 100 m, nandritra ny “Lalao olympika” telo 2008 tany Pékin, 2012 tany Londres ary ny 2016 tany Brezila. Araka izany, medaly volamena 9 ny eo am-pelatanany.

29 taona ny lehilahy ankehitriny ary nilaza fa tsy hifaninana amin’ireo taranja ireo intsony, amin’ny “Lalao olympika 2020”, hatao any Tokyo  fa hivadika amin’ny zavatra hafa indray.

Nandrian’ny sainy ny fanipazana ny lefona (javelot).

Nanao fanandramana,  nanipy lefona ny tenany ny asabotsy lasa teo, tao amin’ny kianja Rio de Janeiro. Nahatoraka izany, tany amin’ny 56 m, ny lehilahy tamin’io andrana io. Andrasanan’ny rehetra indray izany, izay hafitsony amin’ity taranja vaovao hidirany ity.   

 Tompondaka



Source link

“Tokyo 2020” : hanipy lefona indray i Usain Bolt (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.