Trangam-piarahamonina hafakely no niseho tao Besasavy Toliara, ny maraim-ben’ny alatsinainy teo, tokony ho tamin’ny roa roa tany ho any. Tovolahy iray no tra-tehaka nangalatra vola famangiana nanodidina ny telo hetsy ariary teo ho eo ary mbola nanendaka rojo volamen’ny ramatoa iray resin-tory tao anaty fiaretan-tory. Raha ny fanazavana azo araka ny vaovao voaray, dia mody nizara toaka tamin’ireo mpiari-tory ity tovolahy ity. Tsy nizara ny toaka tamin’ireo olona niari-tory teo an-tokotany anefa izy fa niditra tao an-trano nanome an’ireo vehivavy vitsivitsy niatrika ny razana tao an-trano efa rendreman’ny torimaso ny ankamaroany. Tonga dia noraofiny ny vola famangiana napetraka tao anaty harona teo ambany farafara tsy lavitra ny maty. Tsy afa-po tamin’ireo vola azony ity jiolahy mpanararao-paty ka izy saika hanendaka haka ny rojo volemana ramatoa iray sondrian’ny torimaso iny, no nisy tamin’ireo mpiari-tory nihira teo an-tokotany no nahatsikaritra ny asa ratsiny ka noraisim-potsiny ity tontakely ity. Raikitra ny hatezeram-bahoaka ka saika matin’ny olona vokatry vono sy daroka nihatra taminy  ity jiolahy.

Eric Manitrisa

The post Toliara : Tovolahy nangalatra volam-pamangiana saika matin’ny olona appeared first on Midi Madagasikara.


Source link

Toliara : Tovolahy nangalatra volam-pamangiana saika matin’ny olona (Midi-Madagascar)

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.