Mirongatra indray tato ho ato ny fisolokiana avolenta ataon’ny mpisoloky amin’ny finday izay milaza fa nahazo fiara lehibe iray aorian’ny fisarihana. Mandefa hafatra amin’ny finday ireo mpisoloky izay milazalaza ny adiny rehetra momba ny loka lazainy fa azon’ilay olona. Tsy misy akory anefa ary milaza izy ireo fa nikarakara fisarihana tamin’ny alalan’ny orinasa goavana iray any Sambava any. Aoka ho mailo.

Tovolahy iray maty nihinana poizim-boalavo teny Fenoarivo, afakomaly. Tsy fantatra izay antony nahatonga azy namono tena nihinana poizina fa izy irery no tao an-trano. Taitra ny olona teo amin’ny manodidina nahita ny tranony tsy nisokatra ka hita taorian’izay fa maty irery tao an-tranony rehefa novohana an-keriny ny tranony.



Source link

Tselatra (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.