Basy Mas 36 iray no azon’ny zandary tany amin’ny lehilahy iray tany Ambalambositra, fokontany Laladona, kaominina ambanivohitr’i Fenoarivo, ny alahady teo. Nanao opération ny zandary tany an-toerana izay nampian’ny miaramila avy ao amin’ny 202 Soavina. Nahazo loharanom-baovao izy ireo fa misy lehilahy iray manana basy tsy misy taratasy fahazoan-dalàna. Niroso tamin’ny fisavana ny tranon’ity lehilahy ity ny zandary ka tratra tao an-tranony ilay fitaovam-piadiana mahery vaika. Notazonina nanaovana fanadihadiana ilay lehilahy voarohirohy. Mitohy ny famotorana ataon’ny zandary ao Amoron’i Mania.



Source link

Tselatra (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.