Fiara Sprinter iray niala ny làlana ary nivadibadika hatrany amin’ny ilany havanan’ny arabe, tany Camp Robin Ambohipihaonantsoa Fianarantsoa, ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ny 4 ora sy 45 minitra. Nipitika tafala teo ambony familiana mihitsy ny mpamily tamin’izany. Olona iray maty vokatr’izany, ary 11 naratra mafy. Voalaza fa olona avy eny Ambohijatovo sy Ankadifotsy ireo olona ireo.

Fiara Sprinter mampitohy an’Ambilobe sy Antananarivo nambara fa niraikitra “accélérateur no nivadika tany Berivotra Rn4 PK 365+800. Olona iray maty vokatr’izany, ary olona 11 hafa naratra, ka ny efatra no tena voa mafy. Nalefa haingana any Maevatanana ireo naratra rehetra. Noho ny tsy fahampian’ny fanafody, voatery nalefa haingana any amin’ny hopitaly HJRA Antananarivo ireo naratra. Ny razana kosa, ao amin’ny tranompaty Maevatanana miandry ny fianakaviany. Natao famotorana ao amin’ny borigady Maevatanana ny mpamily.

 



Source link

Tselatra (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.