Maty rotiky ny balan’ny zandary nandritra ny fifandonana tao Ambatolampy, fokontany Ampahibe, kaominina ambanivohitr’i Tsiroanomandidy Fihaonana, omaly tamin’ny 4 ora maraina ny dahalo raindahiny amin’ny halatra omby. Voalazan’ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary any an-toerana fa dahalo miisa 20 nitondra basim-borona no nangalatra omby ampolony maro tao amin’io tanàna voalaza etsy ambony io. Nampilaza tamin’ny zandary avy hatrany ireo tompon’omby raha vantany vao lasa ireo dahalo. Raikitra avy hatrany ny fanarahan-dia nataon’ny zandary nampian’ny fokonolona tao an-toerana. Nony afaka adiny iray sy sasany taorian’ny fanafihana, nisy ny fifandonana raha vao nahavita 1 km niala ny toerana nitrangan’ny fanafihana. Vokany, dahalo iray maty voatifitra. Tafaverina kosa ny omby rehetra.

Dahalo roa koa voatifitry ny zandary tao amin’ny fokontany Antanatana Maromandia Ankazobe, ny zoma teo. Avy nangalatra omby tao amin’io tanàna io ireto malaso ireto no nifanehatra tamin’ny zandary. Raikitra ny fifandonana ka nahavoatifitra ireo dahalo roa. Mitohy ny famotorana ataon’ny zandary any an-toerana.

Jean Claude



Source link

Tsiroanomandidy : dahalo iray maty voatifitry ny zandary (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.