Tsy nahaloa ny hofan-trano sy ny hofan-tany ny orinasa Codal any Anjoma Toamasina. Tompon’ny tany sy ny trano ny orinasa misahana ny seranan-tsambo mahaleo tena eto Toamasina (Spat). Ny taona 1995 ny fifanarahana saingy tsy nandoa intsony ilay orinasa vahiny nanomboka ny taona 2003, ka niakatra fitsarana ny raharaha. Nivoaka ny didim-pitsarana manery ity orinasa ity hiala eo amin’ny tany. Nisy kosa ny asa sy fanajariana nataon’ity orinasa vahiny ity teo amin’ny toerana, ka namoaka didy ny fitsarana handoavan’ny Spat onitra 15 tapitrisa Ar amin’ilay orinasa. Mandoa 2 hetsy Ar isaky ny andro fahataram-pialana kosa izy amin’ny fandroahana azy. Nanatanteraka ny fanalana azy teny Anjoma ny vadintany, ny 16 aogositra teo.

Misy ady madio ifanaovan’ny Spat sy orinasa frantsay hafa, mitrandraka hazandranomasina eto Toamasina. Eo koa ny mikasika ny tany 25 ha any Tanandava.

Sajo



Source link

Tsy fandoavana hofan-trano sy tany : noraisin’ny Spat ny taniny eny Anjoma (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.