Tsy araka ny niandrasan’ny maro azy fa nilamina tanteraka ny teny Analakely sy ny manodidina, ny asabotsy teo. Tsy nipoitra rahateo ny mpanohitra na ny AFP (Antso ho an’ny fanavotam-pirenena) izay nikasa hidina hanao fihetsiketsehana teny amin’ny kianjan’ny 13 mey. Niatrana vao maraina teny an-toerana ny mpitandro filaminana avy amin’ny Emmo/Reg nandeha fiara 4×4 sy kamiaobe. Teo koa ireo nandeha an-tongotra nanao fisafoana teny amin’ny manodidina. Na teo aza anefa izany, nisy ihany ireo andian’olona nitangorongorona niandry ny fahatongavan’ny mpitarika ny fihetsiketsehana, saingy tsy tonga tamin’ny ora farany ny mpitarika ka rava maina ny hetsika.

Nisokatra ny mpivarotra ary nifamezivezy toy ny fahita andavanandro ny fiara. Na teo aza anefa izany, hita ho somary malina hatrany ihany ny mpivarotra.

J.C

 



Source link

Tsy nipoitra ny mpanohitra, nilamina Analakely (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.