Miala any indray ! « Nampiato ny fitokonana izahay ary nanome roa volana hatramin’ny 6 aogositra teo, mba niandry fa hotanterahin’ny minisitry ny Fitsarana ny fampanantenany hamahana ny olanay. Tapitra ny fe-potoana, saingy tsy tanteraka izany ka hivory izahay handray fanapahan-kevitra », hoy ny filohan’ny sendikàn’ny mpirakidrahara, Andriambololona Haja, afakomaly tetsy Antaninarenina. Nohitsin’izy ireo ny tsy fahamarinan’ny nambaran’ny minisitra fa tanteraka hatrany amin’ny 80%  ny fitakian’izy ireo. « Tsy mbola nivaly ny momba ireo tambin-karamanay tsy voaloa…Tsy nitana ny teny nomeny ny minisitra », hoy ihany izy.

Manoloana izany, hiroso amin’ny fivoriambe ireto mpirakidraharaha ireto ato ho ato ary handinika ny fomba hitondrana ny fitokonana indray. Na izany aza, mbola miandry ny valin-teny farany avy amin’ny minisitry ny Fitsarana izy ireo, mialoha izany manoloana izao tsy mbola namahana ny olan’izy ireo izao sy ny anton’izany.

Tsiahivina fa niato ny volana mey teo ny grevin’ireto ary izao mety hirosoana izao indray.

Synèse R.



Source link

Tsy tanteraka ny fampanantenana : mandrangaranga fitokonana indray ny mpirakidraharaha fitsarana (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.