Tao amin’ny fokontany roa (Ampahateza sy Andohaniato) ao Ambohipo no nahatrarana ireto jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana sy fanendahana ireto. Niainga avy amin’ny loharanom-baovao ny nahazoan’ny polisy azy ireto. “Nahitana trangana halatra miharo herisetra misesisesy teny amin’iny faritra Ambohipo iny tato ho ato ka izany no antony nahatonga ny polisy nidina tampoka nanao fisafoana tamin’iny faritra iny niaraka tamin’ny distrika, ny alin’ny 12 aogositra 2016 lasa teo. Nasaina nakaton’ireo mpivarotra avokoa ny bar izay hita fa tsy mihidy amin’ny ora tokony hikatonany satria antony iray mahatonga ny tsy fandriampahalemana ihany koa izany”, hoy ny fanazavan’ny lehiben’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa, ny kaomisera Alain Adonis Rafalimanana.

Voalaza fa nanao tohivakana ny fisamborana ireto jiolahy raindahiny ireto. Nisy tamin’izy ireo koa no fantatr’ireo niharam-boina ny tarehiny ka tsy nanampano sarotra ny fanarahan-dia sy ny fisamborana. Ao anatin’ireo fokontany voalaza etsy ambony ireo ihany koa no mipetraka ny sasany amin’izy ireo. Misy amin’ireto jiolahy ireto no efa nigadra, saingy nanohy ny asa ratsiny indray taorian’ny fivoahana ny fonja.

J.C



Source link

Vao avy namita sazy tany am-ponja ny sasany… : Jiolahy sivy tratran’ny polisy teny Ambohipo (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.