Tsy manosika ny fiarahamonina (lehilahy) hanao herisetra amin’ny vehivavy ny kolontsaina malagasy azo tarafina amin’ny ohabolana sy ny ohapitenenana maro momba ny fifandraisan’ny lahy sy ny vavy, araka ny valin’ny fikarohana nataon’ny mpisehatra ao anatin’ny tetikasa sahala iarahana amin’ny ONG Capacity building For Communities (CForC). Ny fandikana izany ohabolana izany no samy manana azy ny tsirairay mitarika ny hevi-diso. « Ohatra iray ny hoe « Ny lahy no lohan’ny vavy », tokony hadika fa ny lehilahy no misolo tena ny tokantranony amin’ny fandraisam-pitenenana rehefa misy raharaha. Raha sanatria misy ny olon-dratsy manafika ny tokantrano iray, tsy maintsy ny lehilahy no miatrika voalohany ny loza », hoy ny mpandrindra ny tetikasa Sahala, Nantenaina Sariaka, omaly teny Antsahavola. Betsaka anefa ny mandika io ohabolana io hoe ambanin’ny lehilahy ny vehivavy amin’ny lafim-piainana rehetra. Azo ambara fa manda ny herisetra ara-batana atao amin’ny vehivavy ny kolontsaina malagasy fa misy ny tranga tsy mandrisika ny vehivavy hisitraka tanteraka ny zony (ohatra ny fahazoana mandova).

Tanjon’ny tetikasa Sahala izay miady amin’ny tsy fanasaziana sy fampandraisana anjara ny lehilahy momba ny ady amin’ny herisetra atao amin’ny vehivavy ny hanangana ivontoerana iray handray ny lehilahy mpanao herisetra. Misy ny sazy fandoavana lamandy sy fanagadrana nefa tsy ampy izany fa tokony hampiana ara-tsaina hanova fomba fihetsika ilay mpanao herisetra. Vehivavy fito amin’ny 10 manambady ara-dalàna, efa niharan’ny herisetra ara-nofo avokoa, araka ny tatitra teny anivon’ny toeram-pihainoana dimy miara-miasa amin’ny ONG CForC. Amin’izao fotoana izao, efa manana toerana ahafahan’ny vehivavy misintaka ireo niharan’ny herisetra eto an-dRenivohitra.

Vonjy A.



Source link

Vehivavy 7 amin’ny 10 voavono : hisy ny ivontoerana handraisana ny mpanao herisetra (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.