Raikitra. Hotanterahina eto Madagasikara, etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny 19 – 22 aogositra izao, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika eo amin’ny taranja volley, sokajy U18 zazavavy.

Raha ny fampitam-baovao farany, ekipa sy firenena efatra (Madagasikara, mpampiantrano, Egypte, Algérie ary Maorisy) no hiady toerana amin’ity indray mitoraka ity. Tsy handray anjara tampoka amin’ity hetsika i Seychelles, raha ny voalazan’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny volley (FMVB), Andriamandimbisoa Jocelyn. Mikasika ny ekipa nasionaly indray, mpilalao 15 no notazonin’ny FMVB ka ny telo amin’izy ireo mpilalao fiandry. Vonona hiady sy haka ny laharana voalohany ny ekipa nasionaly satria izay ekipa tafavoaka amin’ity andiany ity, avy hatrany dia miatrika sy misolo tena an’i Afrika amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany 2017. Tsy mbola fantatra kosa ny toerana hizoran’izany satria ny fivoriamben’ny FIVB any Arzantina ihany no mamaritra azy.

M.N.



Source link

Volley – Can U18 F : tsy handray anjara i Seychelles, vonona i Madagasikara (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.